Notontosaina ny Alarobia faha 21 Janoary taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 03 ora tany ho any ny famindram-pitatanana teo anivon’ny fitaliavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina hoan’ny talem-paritra mpisolo toerana teo aloha Atoa TSIMAHOLIARIVONY Chrystal sy ny talem-paritra vaovao Atoa RAKOTONDRAZAVA Laurent Gérard. Izany moa dia notronon’ireo solotenam-panjakana miasa sy monina eto Maevatanàna, ny solotena avy any amin’ny Minisitera foibe, talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina an’i Boeny, ary ireo sampantserivisy miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa notanterahana tao amin’ny efitranom-pivorinan’ny Zoky olona ny famindram-pitatanana teto.
Ratantely


