- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANDRANOMANELATRA :  Notokanana ny « Commisariat de police »

ANDRANOMANELATRA :  Notokanana ny « Commisariat de police »

Tontosa ny 23 Janoary 2026 lasa teo ny fanokanana ny « commissariat de police » ao Andranomanelatra, Distrika Antsirabe faharoa.

Teboka efatra lehibe no nasongadin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Erick Michel Wouli Idrissa, nandritra ny lahateniny tamin’ny fanokanana ity biraom-panjakanan’ny polisim-pirenena ity. Voalohany, ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany; faharoa, ny fampanjakana ny lalàna velona misy eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara; fahatelo, ny fametrahana ny fahefam-panjakana eny ifotony; ary farany, ny fanamafisana ny fitsipika sy ny fahamendrehana eo am-panatanterahana ny asa amin’ny fanompoana ny firenena.

Manam-pahefana maro teto Vakinankaratra, manamboninahitra sivily sy miaramila, no tonga nanatrika ny fotoana, notron’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry teto Vakinankaratra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici