Nampitondra takaitra fianakaviana indray ny oram-baratra tany amin’iny distrikan’i Lalangina iny. Araka ny fantatra dia aina roa no indray nafoy. Mpivady tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambalamena, kaomina Ambalakely, distrikan’i Lalangina. Raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona ity niharam-boina ity, niaraka tamin’ny vadiny, 37 taona, araka ny vaovao azo. Tamin’io fotoana io, nirefotra tampoka ny varatra namely ny tranon’izy izy ireo. Ny mahazendana dia tsy niaraka tao an-trano izy ireo tamin’io fotoana io fa ny iray, ilay vehivavy teny ivelany, voalaza fa handeha hamaha -kisoa ary ilay ilay rangahy kosa tao an-trano, tao ambony rihana niataka tamin’ny zanak’izy ireo. Marihana fa izy mivady irery ireto ihany no izao notetezin’ny varatra izao fa tsy naninona kosa ireo zanak’izy ireo. Nisy ihany moa ny famonjena nataon’ireo fokonolona taorin’izao voina nihatra tamin’ity tokatrano ity izao saingy efa samy tsy nisy avotra intsony izy mivady noho ny ratra sy ny fahamaizana nahazo azy ireo. Fa ankoatr’ity tany Lalangina ity dia tokantranon’olona iray ihany koa no nilatsaham-potaka ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny kaominina Amparantanjona, distrikan’Anjozorobe. Tsy nisy ny aina nafoy saingy zaza miisa telo natory tao amin’io trano io no naratra mafy vokatr’izay. Ary omby vositra iray teo an-tokontany no maty. Nahitàna fahasimbana goavana kosa ilay trano, rehefa nidiran’io varatra io teo amin’ny tapenaka.
m.L


