Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teto Antsirabe. Raim-pianakaviana iray no maty voadonan’ny fiara. Teny Mandaniresaka, amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, no nisehoan’ny loza ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Manodidina ny 49 taona ity rangahy namoy ny ainy ity ara fantatra fa miaramila am-perinasa. Tsy nisy nahita marina ny tena zava-nitranga ny manodidina fa zavatra nidoboka mafy no ren’ny olona. Rehefa nozahana dia lehilahy iray mihosin-dra no hita mitsirara amin’ny ara-be. Ilay fiara nandona azy kosa nitsoaka avy hatrany ka tsy hita hatramin’izao, araka ny fanazavana voaray. Noezahina nentina teny amin’ny hopitaly nialana nenina farany ity rangahy ity, saingy tsy tana intsony ny ainy na dia efa nanao izay ho afany aza ny mpitsabo. Matetika no itrangana loza ny lalam-pirenena faha-7 mandalo eto Antsirabe, indrindra rehefa alina.
Andry N.