Nanaiky ny nibaboka haingana ry zalahy ! Tra-tehaka sy tsy afa-nanao na inona, raha mbola teo am-pamakiana tokantrano iray, teny amin’iny faritra Itaosy iny. Ary efa nohodidinin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona, araka ny vaovao azo.
Napetrapetraka tokoa ny teo anivon’ny zandary fa tsy misy afa-tsy ny firaisan-kinan’ny fokonolona, eo amin’ny samy isam-batan’olona ary fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana, ao anatin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana, no hany ahafahana entina hiadina amin’ny resaka tsy fandriampahelamana. Porofo mantsy hoy izy ireo ny zava-nitranga teny amin’iny faritra Itaosy iny, raha ny marimarina kokoa dia tao Ankaraoka, fokontany Vonelina, kaominina Fiombonana, distrikan’Antsimondrano. Ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any, rehefa nahatsikaritra olona nampiahiahy nihaodihaody teny amin’ny tokantrano iray teny an-toerana ny fokonolona, avy hatrany dia niaraka niray hina. Roalahy vahiny eny an-toerana izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany, ka naha mahina avy hatrany ny mponina sy niantsoana zandary. Inona tokoa fa taoriana kelin’io dia nitsofoka amboletra tao amin’ny tanàna iray mifefy tamboho izy ireo. Ny trano mbola an-dalam-panamboarana, hoy hatrany ny vaovao ary tsy misy olona mipetraka tao fa famantanan’ny tompony rehefa faran’ny herinandro iny fotsiny. Mety ho izay no nanintona azy ireo kanjo ny tsy fantatr’ireto olon-dratsy dia efa mahay miray hina ireo fokonolona.
Noraisim-potsiny tao izy roa lahy rehefa tsy afa-nivoaka sy nandositra intsony. Nilaza ny marina sy niaiky rahateo fa saika hangalatra mihitsy no antony nitsofohan’izy ireo tao an-toerana. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny zandary moa, ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana.
m.L


