- Publicité -
vendredi, janvier 30, 2026
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Mirongatra ny vaky fasana

Imerintsiatosika : Mirongatra ny vaky fasana

Tao anatin’ny iray volana dia efa nisy telo ny tranga vaky fasana tany amin’iny faritra Imerintsiatosika iny, indrindra fa ny tao Vinany, fokontany Ampangabe. Ny vao haingana dia niseho ny alarobia teo, araka ny fampitam-baovao azo. Fasana dongon-tany izy io, araka ny fantatra, ary novakian’izy ireo ny vato nanaromana izany fasana izany. Voakorontana avokoa ny razana tao anatiny, ny lamba sy ireo taolambalo nilevina tao. Raha ny vaovao hatrany dia taolambalo ( izay saika taolan-dava avokoa) an’ny razana  manodidina ny 12 no lasan’ireo olon-dratsy. Ny efatra tamin’ireo razana kosa no tsy nokitihan’ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandary tany an-toerana. Marihina fa tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy, ny tena fotoana nanaovan’ireo mpamaky fasana ny asa ratsiny. Ny andro maraina mantsy vao tsikaritry ny mpiandry omby iray ny zava-nisy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra sy ny tompon’ny fasana nijery ny zava-nisy. Tamin’izay no nahafantarana io fa vaky ilay fasana ary very ny ankabeazan’ireo razana tao. Tombanana ho ny alin’ny talata no nanaovan’ireo mpangalatra taolan-paty ity asa ity, hoy hatrany ny zandary, izay milaza fa efa mandray an-tanana ny raharaha ary nanokatra ny fanadihadiana. Etsy andanin’izay manoloana ny firongatr’ity resaka vaky fasana sy halatra taolam-paty dia nisy ny fanentanana paik’ady nataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana. “Midadasika raha Imerintsiatosika (…) mandrisika hatrany ireo mponina izahay amin’ny fiambenana, fijerijerena ireo fasana lavitry ny tanana ireny fa indrindra ny fampilazana anay avy hatrany raha vao misy tranga mampiahiahy”, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter