Fantatr’ireo mpisehatra amin’ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra amin’ny anarana hoe « poste 10 » itony karazan’olona itony. Ny asany, mijanona na mitety ireo karazana « arret »-na taxibe ary milaza fa irak’i « ranona » na « ranona », (polisy eto no voatondro) ary mangataka « regime » na vola amin’ireo taxibe izay mandalo.
Iray izay aloha no tratra, ny sisa no mety hanaraka eo ihany ! Ao anatin’ny paikady entin’ny eo anivon’ny Fitalevam-paritry ny filaminam-bahoaka Analamanga amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly eny an-dalana, indrindra fa ny eto an-drenivohitra dia efa nisy sahady ny vokatra. Omaly tetsy amin’ny faritra Parking 67ha Avaratra, lehilahy iray, 43 taona no voasambotra. Antony, fangalàna vola amin’ny tsy rariny ary fanerena olona hanome izany (raquettage), amin’ireo fiara fitanteram-bahoaka izay mandalo, amin’ny filazàna fa iraka polisy ingahy ka tsy maintsy manome « regime » ireo hangatahany. Mbola nahitàna vola maromaro moa tany aminy araka ny vaovao azo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ingahy « poste 10 » ary nanaovana fanadihadiana savaranonando. Fantatra tamin’izay, hoy ny fampitam-baovao azo fa tsy misy akory ireo mpitandro filaminana maniraka azy io fa « miasa ho an’ny tenany » izy. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa ity lehilahy ity, mandram-piandry ny fanolarana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
Ao anatin’izay anefa tsy mijanona hatreo ny fidinana ifotony sy ny fampiharana ity paikady vaovao ity fa mitohy hatrany erak’Antananarivo. Ho an’ity tranga ity dia nanambara ny teo anivon’ny pôlisy fa mbola misy ny famotorana, hikarohana ireo mpamily sy izay olona mpiray tsikombakomba amin’ity lehilahy voalaza fa « mpikatramo » ity.
m.L


