- Publicité -
lundi, février 2, 2026
AccueilFaits-DiversAlasora : Reny niaraka tamin’ny zanany, maty natsingevan’Ikopa

Alasora : Reny niaraka tamin’ny zanany, maty natsingevan’Ikopa

Mbola teny an-trotroany ilay zanany. Zazakely sahabo eo amin’ny roa taona teo ho eo. Efa samy tsy nisy aina intsony izy mianaka … Tranga mampivarahontsana no nitsena ireo mponina teny Alasora, ny marain’ny sabotsy teo, tao anaty ora-mikija. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany no natsingevan’ny ranon’Ikopa teny an-toerana. Niezaka nanao izay vitan’ireo nahita nisintona azy mianaka tao anaty rano ary nampiakatra azy tety an-tanety. Saingy indrisy fa efa tsy nisy azo natao intsony ny mahakasika azy ireo, efa vatana mangatsiakan’izy mianaka no hita. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza : nentin’ny rano ve dia nivarina tany Ikopa sa zavatra hafa ? Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitra isan-tsojakiny avy ary nentina nihazo ny tranom-patin’i HJRA ny razana, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo. Marihana fa tsy misy mahafantatra eny an-toerana izy mianaka ireto ary tsy nisy taratasy nahafantarana azy ihany koa tany aminy. Nandray an-tanana ny raharaha ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga moa ny mpitandro ny filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter