Vokatry ny ora-mijika tsy an-kijanona naterak’ilay rivo-doza Fytia, dia fantatra fa trano iray no nirodana omaly tetsy Andohamandry. Somary avo toerana ity trano iray, rehefa nirodana dia nianjera tamina trano iray teo ambany. Vokany, lehilahy manodidina 37 taona no namoy ny ainy tao anatin’izay loza izay. Raha ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nitranga loza. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpamonjy voina fotoana fohy taorian’izay ary nanomboka tamin’ny fisokirana ireo olona rehetra tavela tao ambanin’ireo trano nianjera ireo. Adim-pamantaranandro vitsivitsy taoriana no azo ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe narary tsy afa-nihetsika teo am-pandriana ity olona namoy ny ainy, ka afaka niala tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
Rahany omaly dia maromaro ihany ireo trano nirodana vokatry ny ora-mikija sy ny rivotra, raha ny teto an-drenivohitra manokana. Ankoatra ity teny Andohamandry ity dia fantatra fa nisehoana loza tahak’izany ihany koa teny Tsiadana, Sabotsy Namehana, Ambatolampy Tsimahafotsy, Antanety ary ny teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny. Saika fahasimba-javatra avokoa no betsaka fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo.
m.L


