Tsy nahatohitra ny onjan-drano izy sy ny bisikiletany ka lasa. Tranga omaly tetsy Ambohimanga Rova. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola nikaroka ity raim-pianakaviana ity ny fokonolona sy ny zandary. Omaly maraina no nisy nampandre ny zandary tao Ambohimanga ny amin’ny fisiana raim-pianakaviana iray izay mbola tsy hita hatramin’ny omaly fa nentin’ny rano. Noho ny rotsak’orana dia somary nahery renirano kely tao Ambodisiarivo ity. Raha ny voalaza dia avy eny Anosiarivo eny ilay rangahy ary nandeha namonjy fotoana teny Sabotsy Namahena. Miampita ireo renirano kely io no lalana. Ny hariva handeha hamonjy fodiana amin’izay no tsy indrisy fa tsy tonga intsony tany amin’ny tanana izy. Tokony ho tamin’ny enina hariva tany ho any no voalazan’ny fianakaviana fa tra-doza ity havany. Azo heverina fa nanomboka teo no tsy tratra antso intsony angamba. Tsy nipoitra intsony mihitsy moa ilay raim-pianalaviana ka nahatonga ny rehetra niahiahy ary nanao ny fikarohana. Hita tsy lavitra ny vahilava niampitany ny bisikiletany. Antony nahatonga ny fieritreretana avy hatrany hoe lasan’ny rano ity raim-pianakaviana ity. Efa teny an-toerana moa ny mpamonjy voina sy ny zandary nanao ny fikarohana. Fa ankoatra ity tao Ambohimanga Rova ity dia nitrangana loza tahak’izay ihany koa tao Antanetibe Anativolo, distrikan’Anjozorobe, omaly ihany, vokatr’izay rotsak’orana nateraky ny rivodoza Fytia izay. Lehilahy ihany koa lasan’ny rano ary namoy ny ainy raha niezaka nisambotra ny kitapony izay nentin’ny rano. Araka ny angom-baovao azo dia maromaro izy ireo no niala avy any an-tanany handeha hamonjy tsena ao Antanetibe. Tsy maintsy miampita ny reniranon’i Jabo anefa izy ireo amin’ny lalany. Vita tongotra ny miampita izany taloha saingy noho ny rotsak’orana dia niha avo no sady nihanahery ny rano. Ambonin’izay fady hiampitàna amin’ny lakana ilay rano ka tsy maintsy mijobona milomano ireo izay te hiampita azy. Efa afaka avokoa ny rehetra saingy tamin’izay no io nentin’ny rano io ny sakaosin’ilay lehilahy. Rafitra namonjy izay izy ka izao nitera-doza izao. Niezaka namonjy azy ihany ireo namany, raha ny vaovao hatrany saingy indrisy fa tsy avotra intsony. Era tonga teny an-toerana moa ny zandary sy ny tompon’andraikitra. Nomena ny fianakaviany ny razana taorian’ny fitiliana.
m.L


