
Hateloana ny naharetan’ny fandavalovan’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara teto Antsirabe nanomboka ny zoma 30 janoary lasa teo ary tsy nifarana raha tsy ny Alahady 1 Febroary 2026. Feno dia feno ny fandaharam-potoanany satria maro ireo fotodrafitrasa notokanana nandritra io fotoana io, tsy mifanakaiky rahateo ireo toerana natanterahana izany.
Asa sosialy no nanambohan’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara sy ireo mpiara dia aminy, nitsidika ny FOFAJA « Foibe Fanabezana ny Jamba », akany mikarakara ireo olona manana olana amin’ny fahitana. Tsy nitondra tana-polo ny filohan’ny fanavaozana sy ny ekipany fa nanolotra fanampiana vola sy fampitaovana ho an’ny FOFAJA.
Nitohy ny fitsidihana sy fitokanana fotodrafitrasa ny Sabotsy maraina tao amin’ny distrikan’i Betafo izay nisitraka biraon’ny polisy vaovao « commissariat de police » sy kianja mitafo maoderina mahazaka olona 1000 isa .
Taorian’izay nitodi-doha niverina teto Antsirabe ny filohan’ny fanavaozana nitokana fotodrafitrasa maro toy ny EPP Andafiatsimon’ny Star, fotodrafitrasa vao vita, ahitana efitrano 12, sy birao ary « cantine scolaire » miaraka amin’ny efitrano fidiovana sy fivoahana sy efitrano fivoriana, miisa 370 ny mpianatra, kilasy garabola ka hatramin’ny kilasy T5.
Tsetsatsetsa tsy haritra no hilazana fa fotaka sy ranom-potaka no lalana nidiran’ireo fiara nitondra ny filohan’ny fanavaozana sy ireo mpiara dia taminy raha nihazo ity sekoly ity fa tsy nisy na dia vato kely nanarona ny lalana tahaka ny fahita rehefa misy manam-pahefana mitsidika tahaka izao.
Nitohy teny amin’ny oniversite Tsaratanana ny fitsidihana, notokanana ihany koa CSB Ambohimanarivo. Ankaotra izay ny CIM na Centre d’Immatriculation sy ny biraon’ny Office du Baccalaureat eto Antsirabe.
Tsara ny manamarika fa natolotra nandritra ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny fanavaozana teny Tsaratanana ny fotodrafitrasa famatsian-drano na forage ho an’ny cité Universitaire. Mpianatra manodidina ny 350 no hisitraka izany mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Hanolotra fiara lehibe na bus miisa roa hitanteraka ireo mpianatra eny amin’ny anjery manontolo ny filohan’ny fanavaozana araka ny lahateny nataony nandritra ny fitsidihana.
Nisy ny fanomezana mari-boninahitry ny Teny ny Kanto ary ny Kolontsaina ka mpisehatra miisa 54 no nisitraka izany ka 15 amin’ireo no notolorana ‘’𝐶𝑜𝑚𝑚𝑎𝑛𝑑𝑒𝑢𝑟 𝑑𝑒 𝑙’𝑂𝑟𝑑𝑟𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝐴𝑟𝑡𝑠 𝑑𝑒𝑠 𝐿𝑒𝑡𝑡𝑟𝑒𝑠 𝑒𝑡 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝐶𝑢𝑙𝑡𝑢𝑟𝑒’’, 16 kosa no notolorana ‘’𝑂𝑓𝑓𝑖𝑐𝑖𝑒𝑟 𝑑𝑒 𝑙’𝑂𝑟𝑑𝑟𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝐴𝑟𝑡𝑠 𝑑𝑒𝑠 𝐿𝑒𝑡𝑡𝑟𝑒𝑠 𝑒𝑡 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝐶𝑢𝑙𝑡𝑢𝑟𝑒, ary 23 ireo nosalorana ny ‘’𝐶ℎ𝑒𝑣𝑎𝑙𝑖𝑒𝑟 𝑑𝑒 𝑙’𝑂𝑟𝑑𝑟𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝐴𝑟𝑡𝑠 𝑑𝑒𝑠 𝐿𝑒𝑡𝑡𝑟𝑒𝑠 𝑒𝑡 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝐶𝑢𝑙𝑡𝑢𝑟𝑒’’. Ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara Kolonely Randraianirina Michaël sy ny Minisitry ny Serasera Gasikara Fenosoa no nanolotra izany ary notronin’ireo tompon’andraikim-panjakana maro teto Vakinankaratra. Teo ihany koa ny fampitaovana ny tranon’ny «TOSIK’ART »
Tsy nanadino ny datin’ny 1 Febroary ny filohan’ny fanavaozana, andron’ireo manamboninahitra lefitra izay nomarihanta tao amin’ny ENSOA.
Niara dia tamin’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasika nandritra ity fitsidihana teto Vakinankaratra ity ny mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry notron’ireo minisitra maro mpikambana avy amin’ny governemanta.
Andry N.


