- Publicité -
mardi, février 3, 2026
AccueilFaits-DiversGEN Y VAKINANKARATRA :  Nitondra sora-baventy nadritra ny fandalovan’ny filohan’ny fanavaozana ny...

GEN Y VAKINANKARATRA :  Nitondra sora-baventy nadritra ny fandalovan’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara teto Antsirabe

Tazana teny amin’ny toerana nitokanana fotodrafitrasa teto Antsirabe ny andiana tanora mpikamabana avy amin’ny GEN Y Vakinankaratra nitondra sora-baventy mba ho tazan’ny filohan’ny fanavaozana. Sora baventy maromaro no nentin’izy ireo naneho ny heviny sy ny hetahetany manoloana ny tolona sy fangatahana izay nimatimatesin’izy ireny tamin’ny fotoana nahamaivay teto amin’ny firenena. Fanavaozana mira fiovana mipaka eny amin’ny vahoaka, politikam-pampandrosana mifanohitra amin’ny politka politika politisiana, ampahany tamin’ireo fanehoan-kevitra nentin’ny GEN Y ireo teny ireo ary ny tena notakiany dia ny fangatahana 5 minitra hiresahana amin’ny filohan’ny fanavaozana tamin’ny fandalovany teto Antsirabe.

Tsikaritry ny filohan’ny fanavaozana izany raha ny nambaran’ny solontenan’ireo mpikambana ao amin’ny GEN Y vakinakaratra ireto satria nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra mpialoha lalana sy ny protocole ary nampanatena ireto farany fa hijery akaiky ity fangatatahan’ny GEN Y Vakinankaratra ity.

Ankaotra izay nisy ihany koa ny fifanakalozana tamin’in’ireo GEN Y Atanananarivo izay tonga nanotrona ny filohan’ny fanavaozana teto Antsirabe. Nitohy ny fifanakalozana teny amin’ny Amphi Oniversité  izay nandraisan’ny GEN Y anjara, nanehoan’ireto farany ny vinany sy ny tanjony ary ny fandraisana anjara amin’izao fametrahana ny fanavaozana eto amin’ny firenena izao indrindra fa ho an’ny faritra Vakinankaratra. Manantena izay hoy mpikambana amin’ny GEN Y Vakinankaratra ireto fa hisy ny fihaonana mivantana amin’ny filohan’ny fanavaozana aorian’izao fotoana izao mba hahafahan’izay ireo mamelabetra misimisy koa ny tanjon’ny GEN Y sy ny hijeren’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana ireo tanora tena nitolona ka nahatonga izao fanovana izao.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter