- Publicité -
mercredi, février 4, 2026
AccueilFaits-DiversBekiraro : Mpanao film nisandoka ho polisy

Bekiraro : Mpanao film nisandoka ho polisy

Nilalao sarimihetsika izy ary polisy izy tao anaty film tamin’izany fotoana. Mety nahazo tsirony angamba ary notohizany tamin’ny fiainany andavanandro izany. Manomboka mampitahotra olona, indrindra amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Avoakany ny sary manao fanamiana polisy manao saron-tava. Ny tena isan’ny olana dia tsy ny sariny akory fa polisy any amin’ny faritra no nampiasainy teo. Na izany aza dia sahiny ny manao fanamiana amin’izay hataony isan’andro. Raha ny marina anefa dia mpikirakira jiro sy herinaratra (électricien) no tena asan-drangahy ary entiny hizahozahoana ilay fanamiana mpitandro ny filaminana. Na ny grady entiny aza dia tsy fantany akory. Nosamborin’ny polisy ilay lehilahy rehefa nisy ny fampandrenesana momba azy. Teo koa no nahafantarana fa nilalao tao anatin’ireny Novegasy ireny izy ary polisy ny asany tao. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nentina tao amin’ny biraon’ny polisy izy ary nanarina mafy momba ny fandikan-dalàna nataony. Na izany aza anefa dia tsy natolotra ny fampanoavana fa nijanona teo amin’ny fampahafantarana azy ny tsy nety nataony sy ny sazy miandry azy raha misy ny famerenan-keloka. Ahoana ny fomba nahazoany fanamiana polisy? Raha ny fantatra dia mila fanamarinana maro, toa ny karatra maha-polisy sy kara-panondro ary fanamarinana maha-mpiasam-panjakana izay vao afaka mividy fanamiana eny amin’ny toerana manokana mpanao azy ireny ny polisy. Tsy nisy nananan’ilay lehilahy anefa ireo ankoatry ny kara-panondro. Midika izany fa teny amin’ny sisiny izy no namboatra, izany hoe nampanjairina ilay fanamiana. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter