- Publicité -
mercredi, février 4, 2026
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Nandravarava tanteraka ny rivo-doza Fytia

Mahazomà-Maevatanàna : Nandravarava tanteraka ny rivo-doza Fytia

Ny Asabotsy faha 31 Janoary taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 04 ora tolakandro no voalazan’ny sampana misahana ny toetry ny andro, fa tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna nisy an’ilay ivon’ny rivo-doza Fytia. Noho izany dia niteraka fahasimbana foto-drafitr’asa iombonana sy fananan’olona tsotra tany amin’ity kaominina voalaza etsy aloha ity ny fandalovan’ilay rivo-doza mahery vaika. Any ka niakatra an-tanàna ny rano, taorin’ny fahalasan’ny rivo-doza Fytia, saingy efa nihena anefa izany ny Alahady maraina teo. Vokatry ny fahasimbana maro misy dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ambony ny mponina, indrindra ireo tra-boina any an-toerana mba hijery akaiky azy ireo, fa maro ny zavatra potika noho ity rivo-doza ity. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa efa manao ny asa fanarenana ny fahavoazana ny olona izay nahitana fahapotehana, ao ny mametaka ny tafo fanintso ny tranony. Mbola tsy nahazoam-baovaoa mari-pototra kosa ny tena isa Ofisialy, hoan’ireo tra-boina any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter