- Publicité -
vendredi, février 6, 2026
AccueilFaits-DiversTaxi-be : Zotra efatra hitokona

Taxi-be : Zotra efatra hitokona

Ny zotra 133, 143, 193 ary A. Ireo no manambàna hitokona amin’ny asabotsy. Ny antony, raha araka ny fampitam-baovaon’ireo amin’ny tambajotra sosialy, dia noho ny fanamparam-pahefana diso tafahoatra ataon’ny polisy eo amin’ny fiantsonana antsoina hoe « garage » (67 Ha) sy eo amin’ny Fiaro Ampefiloha. Na izany aza anefa dia manainga fifampiresahana ihany izy ireo alohan’ny hidirana amin’ny grevy. Raha tsiahivina, ny teo anivon’ny polisy dia nanajanona vonjimaika ny fisavàna taratasim-piara, ankoatra ireo izay hita mivandravandra fa mandika lalàna. Ireo taxi-be amin’ireo zotra voakasika indray dia mitaraina ny amin’ny « fanorana » diso tafahoatra. Etsy ankilan’izany dia hita fa lasa fanao eto amintsika ny fitokonana isaky ny misy fitakiana, mitady ho lasa lalan-tsaina raikitra aza. Tsy afaka mifampihaino intsony ve eto amintsika raha tsy tairina kely ny disadisa?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter