Nitatatata tsy nisy nifandrenesana ny feom-basy nandritra ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro ny filaminana niampy vatan-dehilahy, ary ireo jiolahy tsy mataho-tody, raha ny fampitam-baovao voaray avy any amin’ny fokontanin’Antanambao, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny alatsinainy 02 Febroary taona 2026 lasa teo iny, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva tany ho any. Niarahana nahita hatrany moa ny takaitra navelan’ilay rivodoza Fytia tamin’ireo faritra nolalovany tato amin’ny disitrika volaza etsy aloha, indrindra ny fiakaran’ny rano. Taorin’ny tondra-drano niseho nateraky ny rivodoza tany amin’ilany andrefan’ny tanànan’i Bevilany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano dia nafindra toeran-kafa, tao amin’ny alan’Antanambao ireo omby rehetra hatahorana sao lasan’ny rano. Ho setrin’izany toe-javatra izany, dia nasaina nanao fisafoana manodidina faritra voalaza ireo Zandary miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra Bevilany mba hiarovana ny fananan’ireo mponina any an-toerana. Rehefa tonga ny tamin’ny fito ora hariva ny androtr’io ihany dia nisy dahalo tsy voafaritr’isa nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika sy zava-maranitra no niditra an-keriny, tao amin’ilay toerana nametrahana an’ireo omby ireo. Taitra tampoka raha nahatsikaritra izany ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy nanao fisafoana, ka raikitra avy hatrany ny fifandonana teo amin’ny telo tonta. Vokany: Zandary iray sy olon-tsotra roa hafa naratra, tao anatin’ny fifanjevonana. Nitsoaka nandositra ny malaso, rehefa tsy naharesy tosika ary tsy nisy ny omby very na lasan’izy ireo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nentina namonjy tobim-pahasalamana ao Bevilany, ireo naratra mba hanaraka ny fitsaboana sahaza no ao anatin’ny fanarahan-dia an’ireo jiolahy ny Zandary naman’ilay naratra, amin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao
Ratantely


