- Publicité -
mardi, février 10, 2026
AccueilFaits-DiversDDJ sy Rijason : Miakatra hatrany ny saran’ny fikarohana azy ireo

DDJ sy Rijason : Miakatra hatrany ny saran’ny fikarohana azy ireo

Tamin’ny voalohany dia roa tapitrisa ariary ary izao niakatra avo roa heny. Izany dia mahakasika ny fikarohana sy fanomezam-baovao mari-pototra izany mety hahitàna an’i Ralaivita Tsilavonarivo na Dadan’i Jemima (DDJ) sy Rijason Fenohery. Izy ireo dia voasokajy ho forongon-dRajoelina izay nivelona tamin’ny fikaramàna an’ady tao anaty tambajotra sosialy Facebook. Fanalam-baràka, famotehana fiainan’olona izay manelingelina sy maneho hevitra izay tsy mandala ny fitondràna volomboasary no tena nahalalàna azy roa lahy izay ankehitriny dia miafina ary manjavona tanteraka. Misy ny milaza fa efa tafatsoaka teto Madagasikara ary nampian’ny Governeran’Analamanga teo aloha (izay efa nitsoaka koa) tamin’izany. Misy koa anefa ny milaza fa eto an-drenivohitra ihany i DDJ ary miafina etsy 67Ha. Miasa andro aman’alina ny sampana fitsikilovana amin’ny fikarohana azy roa lahy ary isan’ny handrasana ny fanomezam-baovaon’ny tsara sitra-po ary sandaina ara-bola aza izany ankehitriny. Tato ho ato dia niverina nirongatra indray ny kaonty fako marobe raha efa nangina teo aloha. Asa raha mbola ao ambadik’izany indray izy roa lahy izay mpandrindra azy ireny tamin’ny fotoan’androny ary manana ekipa sy birao, isan’izany ny tao amin’ny Arena.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter