Tsy nanadino tamin’ny alalan’ny fitsidihina sy fanomezana fanampiana ireo traboina, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo kaomity mitantana sy miaro ny loza voajanahary eto Betsiboka, izay notarihan’ ny préfen’i Maevatanàna sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara, ato amin’ny disitrika voalaza etsy aloha.Ny sabotsy maraina faha 07 Febroary taona 2026 teo, tokony tamin’ny folo ora tany ho any no nanatanterahana ny fanomezana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana mahefa ambony, hoan’ireo traboina niisa 540, teo amin’ny » Podium/Mahazomà. » Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra raha ny antontanisa voarain’ireo kaomity mitantana sy miaro ny loza voajanahary aty an-toerana dia mahatratra 3112 ireo traboina ato anatin’ny faritra Betsiboka ankehitriny.
Ratantely




