Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny kaominina Ambondromamy, ny asabotsy 24 Janoary 2015 teo, ny biraon’ny Fikambanana Malagasy Mifanohana. Ity fikambanana ity moa izay ivondronan’ireo vehivavy maro tia tanindrazana, ka vonona ny handray an-tànana ny hoaviny sy handray anjara amin’ny asa fampandrosoana ato anatin’ny distrikan’ Ambato-Boeny. Fikambanana natao hifanasoavan’ny vahoaka Malagasy ary manana mpikambana maro izay misandrahaka anatin’io distrika io. Rakotondranisa Lalanirina na i Rina no filoha mpanorina ity fikambanana ity ary koa mpiahy azy. Izy dia isan’ny kandida tamin’ny fifidianana depiote farany teo ary tsy manadino ny manao asa sosialy sy miezaka koa eo amin’ny asa fampandrosoana anatin’ity Distrika ity. Vao tafajoro ny mambran’ny birao anatin’ity sampana tao Ambondromamy ity, dia efa nanao hetsika lehibe sahady, ka nizara kilalao tamin’ireo zanaky ny mpikambana izay miisa 500. Hatreto aloha, dia azo ambara fa fikambanana isan’ny tena matanjaka, raha ato anatin’ny distrikan’ Ambato-Boeny ity fikambanana izay naorin’i Rina ity.
Nangoni’I Domininique R.