Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra ! Izay no azo ilazana ity lehilahy manodidina ny 38 taona, mpanabotry ireo mpanao taozavatra malagasy teny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka iny. Vola sandoka teo amin’ny 125.000 ariary teo no saika hividianany ireo taozavatra ireo, kanjo voapaingotra teo ity mpanao vola sandoka ity, ny alarobia lasa teo. Araka ny filazan’ny pôlisy tao amin’ny kaomisaria Ambohimanarina, izay angady nananana izao vokatra izao, dia efa zava-panaon’io rangahy io sy ny namany ny fisolokiana sy fividianana zavatra amin’ny alalan’ny vola sandoka. Mikaikaika avokoa ireo voan’ity lehilahy ity. Ary izay indrindra no nahatonga ireo mpitandro ny filaminana nametraka paikady hisamborana ireo olona mpanao vola sandoka ireo. Ny alarobia teo, tsikaritra teny an-toerana teny tokoa io rangahy io sy ny namany, teo am-pisakafoana. Saika hividy ireo zavatra ireo no sarona izy ireo, raha tafaporitsaka ilay namany. Ravim-bola dimy arivo ariary, 25 no tratra tany aminy tamin’io fotoana io. Fitaovana avo lenta tokoa no fanamboarany ireo vola sandoka ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny pôlisy, ary tena mitovy tsy misy valaka amin’ny vola tena izy. Efa tambajotra matanjaka ireto mpanao vola sandoka ireto ary mbola miriaria any ny atidoha mikotrika itony fanaovana vola sandoka itony, saingy ity lehilahy ity aloha no voasambotra. Efa fantampatatra ny mikasikasika ity raiben’ny fanaovana vola sandoka ity, araka ny filazan’ireo pôlisy hatrany ary efa mandeha ny fikarohana azy. Fantatra mantsy fa mbola misy vola sandoka mitentina eo amin’ny 650 tapitrisa ariary any aminy. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ary inoana fa hisy vokany tsy ho ela.
m.L