Ambohitrarahaba, amin’ny 10 ora maraina, omaly, nitangorona izay tsy izy ny olona teny an-toerana. Tera-tany sinoa iray no nahitana sokatra teo amin’ny 2 gony teo, manodidina ny 200 isa, raha ny filazan’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Ambonin’izay, mbola nahitana karazana vatosoa, quartz kilao maromaro ihany koa teny an-toerana. Raha ny filazan’ireo tomponandraikitry ny fandriampahalemana teny an-toerana, zavatra hafa mihitsy no nahatonga ilay savorovoro. Tsy fantatra mazava izay zavatra niseho, fa nisy tovolahy nihazakazaka sy niantso vonjy teny amin’iny faritra Antsahakely iny. Raha ny nambarany tamin’ireo tomponandraikitry ny fandriampahalemana, dia nenjehin’ny ilay sinoa mpampiasa azy tamin’ny sabatra ny tenany. Tsy fantatra aloha hoe nanao inona io mpanampy io. Vory marobe ny olona, nitady izay antony nahatonga ilay fanenjehana tamin’ny zavamaranitra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo « quartier mobile » ireo ary nampiantso ihany koa ny sefo fokontany teny an-toerana. Nampandrenesina ihany koa ny mpitandro filaminana ary tonga teny an-toerana, tokony ho tamin’ny mitatao vovonana teo. Nanatona avy hatrany tao amin’ilay tanana nisy ity teratany vahiny ity. Zavatra hafa indray anefa no hitan’izy ireo nony tonga tao amin’ilay trano ireo tompon’andraikitra ireo. Araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana, dia nahitana sokatra teo amin’ny roa gony teo, izay 200 isa any ho any. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola nisy karazana vato sarobidy, karazan’irony « quartz » ireny ihany koa, hitan’ireo tompon’andraiktra tao amin’ity sinoa ity. Naheno izany ireo fokonolona teny amin’ny manodidina, ka vao mainka niakatra afo. Soa ihany fa teo ireo tomponandraikitra nandamina ny raharaha. Ny fanontaniana mipetraka hatreto aloha, inona no antonin’ilay fanenjehana ity mpanampy ity tamin’ny zavamaranitra ? Misy ifandraisany amin’ireo zavatra hita ireo ve ? Na izany na tsy izany, dia fantatra fa mandeha ny fanadihadiana, mikasika ity teratany vahiny ity. Inoana fotsiny ihany ny mba hisian’ny fanadihadiana lalina, ka tsy ho afa-maina ireo tomponandraikitra amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenentsika.
m.L