- Publicité -
jeudi, février 12, 2026
AccueilFaits-DiversToamasina : Nahabata kamiao ny rivodoza

Toamasina : Nahabata kamiao ny rivodoza

Azo sary an-tsaina amin’izany angmba ny tanjak’ilay rivodoza Gezani. Kamiao lehibe mpitatitra kaontenera no nivadika teo am-pitoerana noho ny rivotra. Izany hoe nahazaka an-taonina maro ny herin’ilay rivodoza. Ary tsy io ihany fa mbola nisy fiara hafa izay voabatany ary nivadika koa. Mazava raha nandohalika Toamasina tao anatin’ny fotoana fohy. Tsy nisy dikany tamin’i Gezani ny nandrodana tamboho, nanala ny tafon-trano ary koa ny nandrava izay nifanitsy taminy. Mafy izany tafio-drivotra 209km isan’ora izany no mandalo eo ambany maso. Nivarahotsana Toamasina ary feno hipoka fitarainana sy antso vonjy ny tambajotra sosialy amin’izao andron’ny teknolojiam-pifandraisana izao. Niara-niaina sy nitebiteby tamin’ity renivohitra ara-toekarena ity i Madagasikara iray manontolo ary nifanampy aza ny olona tamin’ny fizaram-baovao mba nahafahan’ny mpamonjy voina nandeha any amin’izay olona tena nila vonjy maika sy niady aman’aina. Nitondra takaitra avokoa izay nandalovany fa tsy Toamasina ihany. Dobo-drano koa Ambatondrazaka, nizaka ny mafy Anjozorobe. Ny tena loza, saingy mbola tomban-davitry ny manam-pahaizana hatreto, dia ny mety hahazoan’ilay rivodoza hery indray rehefa mivoaka ny ranomasina ka mety hiverin-dàlana rehefa midona amin’ny Mozambika. Mbola arahin’ny tompon’andraikitra akaiky ny fivoarany hatreto. Miezaka manarina ny olona ankehitriny ary tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka noho ny enti-manana kely na tsy misy ho an’ny ankamaroany. Misy aza ny namoy aina izay tsy afaka nandrasana akory fa avy dia nalevina satria tsy nisy trano afaka nanaovana ny fikarakaràna ny razana sy niandrasana azy intsony. Isan’ny tranga iray tena nahaontsa ny maro.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter