- Publicité -
vendredi, février 13, 2026
AccueilFaits-DiversFitrandrahana pozolanina ao Betafo : Mitaraina ny fokonolona fa misy mikasa haka...

Fitrandrahana pozolanina ao Betafo : Mitaraina ny fokonolona fa misy mikasa haka ny taniny

Velon-taraina ny fokonolona ao amin’ny fokontany Ampahamelomana kaominina Anjoma Ramaritinana distrikan’I Betafo fa misy ramatoa mitonona ho manana perimetre , ary hananany taratasy mazava io velaran-tany midadasika fitrandrahana pozolanina io. Gaga izahay hoy ny fokonolona fa tena manana taratasy io ramatoa io, nefa efa an-taonany maro  izahay no nangataka sy nikarakara ny antotan-taratasy rehetra ilaina mba hahazoana “titre” sy “borne” fa hatramin’izao tsy nisy nahazo na dia iray aza, efa maro rahateo ny vola naloan’ny fokonolona hikarakarana ny taratasy saingy tsy hay izay niafarany. Marihina fa tsy nisy sahy nitrandraka pozolanina teo intsony ny fokonolona na ireo mpandraharaha madinika taorian’ny filazan’ilay ramatoa fa azy ny tany ary hananany taratasy, nanomboka ny faran’ny volana desambra lasa teo no niseho izany hatramin’izao. Tonga hatramin’ny fandrahonana nataona solombavam-bahoaka ny raharaha, ity farany izay nilaza fa hogadrainy izay mbola mitrandraka sy maka vato amin’io toerana io satria tany misy tompony io. Nazavain’ity farany hatrany fa ny Sinoa no nitrandraka teo taloha, ary ara dalàna ny fitrandrahana nataony, saika noroasin’ireo sinoa ireo ny fokonolona fa ny solombavam-bahaoaka no nifampiraharaha tamin’ireo teratany vahiny ka nafahan’ny fokonolona naka ny vato “mâchefer” izay tsy ilain’ny Sinoa. Nambaran’ny solombavam-bahoaka hatrany fa efa lasa kariera fakana pozolanina io faritra io amin’izao fotoana, izany hoe misy vola aloha any amin’ny ministera isan-taona, ka ny olona misoratra tompon’ny kariera no mandoa io vola io. Taty aoriana, nisy ny fivoroana nirahana natamin’ny OMC mahakasika io velaran-tany midadasika fakana pozolanina ary tapaka tamin’izany fa hatsahatra aloha ny fitrandrahana hialana amin’izay olana sy tsaho mety hitranga. Hisokatra ny kariera aoriana kely ary afaka mitrandraka izay olona te hifanarana amin’ny tompon’ny kariera hoy hatrany ny solombavam-bahoaka. Notsindrian’ity farany fa tsy misy resaka fakana tany velively ao amin’io kariera io fa fitrandrahana no hatao ary manara-dalàna fa tsy tahaka ny zava misy amin’izao. Fandrangitana fokonolona no filaza fa hisy haka ny taniny, mijanona amin’ny fokonola ny taniny ao amin’ny faritry ny kariera fa ny fitrandrahana kosa no hifanarahana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter