Efa imbetsaka ary tao anaty anatin’ny andro maromaro no nampihatra herisetra tamin’ny vady aman-janany ingahy, tany Ankadinondry, faritra Bongolova iny. Tsy nisy sahy nitory anefa ingahirainy fa hoe zanaka olona « henjana » teo amin’ny tanàna. Nisy ny fanairana nataon’ireo mpiara-monina tao anaty tambajotra sosialy ary nandray andraikitra avy hatrany ny zandary. Efa voasambotra eto amin’ny tobin’ny zandary eto Ankadinondry ilay raim-pianakaviana nanao herisetra hoy ny teo anivon’ny zandary.
Mbola maro tokoa ny tsy sahy miteny sy mitoroka ireny karazana herisetra ireny. Na ara-nofo io na vono, eny fa na dia herisetra ara-tsaina sy am-bava fotsiny ihany aza dia azo atao tsara ny mametraka fitairana eny anivon’ny mpitandro filaminana araka ny voalazan’ny lalàna 019-008, mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG). Ao amin’ny andiny faha-15 sy 16 dia milaza mazava fa ny olona rehetra izay mahita trangana herisetra na hiharan’ny tranga dia tokony hampilaza sy hametraka fitairanana any amin’ny mpitandro filaminana na izay manampahefana akaiky azy indrindra. Ny fampilazàna dia mety na am-bava na an-tsoratra. Ny tsy fitenenana na fampilazàna mantsy dia azo sokajiana ho naman’ny firaisana tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy ihany na ihany koa fijerena olona tandidonin-doza, izay henjehin’ny lalàna velona eto amintsika.
m.L




