
Ny GEN-Y Vakinakaratra hatreto no hany tokan nanao tolo-tanana hanampiana ireo traboina any Toamasina eto Antsirabe vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Genzani. Toerana roa no nanaovana izany, teo Ambohimena ary nanolona ny kianjan’ny Rosas na fantatry ny maro hoe “jardin de problem”. Voin-kava mahatratra, herikerika maha-tondra drano hoy ny filohan’ny GEN Y Vakinankaratra Fetra Randriantsalama ka nahatonga azy ireo nanao izao fihetsika izao ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana voa mafy tamin’iny loza voajanahary iny. Ankoatra ny “Urne” izay nanaovana ny tolo-tanana dia nisy ihany koa ireo terem-panahy nanolotra akanjo, lamba firakotra alefa any Toamasina. Eo ampandaminna ny fomba handefasana ny entana any Toamasina ny tompon’andraikitra tamin’ny ora nanoratana. Marihina fa iray andro, nandritra ny fetin’ny mpifankatia no nanatontosana ity tolo-tanana ity. Fantatra kosa fa anio no hanomboka hanao izay tolo-tanana izay ny faritra Vakinankaratra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 21 Febroary, eo amin’ny tranom-pokonolona no hamondronana ny voahangona rehetra izay hisy isaky ny distrika mandrafitra ny faritra Vakinankaratra.
Andry N.




