Olona tsara sitra-po no nahazoan’ny zandary loharanom-baovao fa misy olona mampiahiahy mivezivezy tao amin’ny fokontany Ampeka, kaominina Ibity, Antsirabe II, tsy fanta-piaviana rahateo ireo olona ireo. Nidina teny ifotony ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra ao Ibity narahan’ny zandary maromaro nanao ny fitsirihina. Inona tokoa fa roa lahy no tratra tao anaty kirihitr’ala niaraka tamin’ny zavatra anaty gony maromaro.
Noraisim-potsiny izy roa lahy ireo. Rehefa natao ny fisavana dia rongony 50 gony no tratra niaraka taminy, nahatratra 371 kg ny fitambarany rehefa nolanjaina. Tsy dia fahita loatra ny zavatra tahaka izao, satria matetika amin’ny lalam-pirenena faha-7 no tena ahatratrarana azy ireny. Araka ny angom-bavaoao nomen’ny teo anivon’ny zandary, nambaran’ny lehiben’ny vondrotom-paritra Vakinankaratra, ny kapiteny Rahajary Nombana, fa fiara vaventy iray no nitatitra ireo rongony ireo ary an-dalan’ny fanadihadiana ny zandary amin’izao hahazoana vaovao misimisy kokoa mahakasika ity zava-mahadomelina ity. Ny fantatra aloha dia avy amin’ny faritra hafa ireo rongony ireo izao tra-tehaka teto Antsirabe be izao. Tsy vao sambany no nahatratrarana rongony toy izao eto Antsirabe sy ny manodidina, indrindra ireo mpanao afera maizina mandalo amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Saika eto Antsirabe mazàna no mifarana ny diany, satria raha tsy saron’ny zandary izy ireny dia saron’ny mpitandro filaminana hafa. Misy mihitsy moa no efa sahy nilaza fa rehefa afaka an’Antsirabe ny afera tahaka itony dia milamina ny tohiny. Ny datin’ny 11 febroary 20206 lasa teo no nahavoasambotra azy roa lahy, izay iraka fotsiny ihany, natolotra ny fampanoavana ary nahiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy.
Andry N.




