- Publicité -
jeudi, février 19, 2026
AccueilFaits-DiversKaominin’i Savalaina RN2 : Fiara 4x4 iray niampita lasan’ny rano, avotra ireo...

Kaominin’i Savalaina RN2 : Fiara 4×4 iray niampita lasan’ny rano, avotra ireo olona roa, telo maty

Amin’ny mbola faharatsian’ny lalam-pirenena faha-2 iny dia mbola misy faritra mbola miampita rano ao amin’ny faritry Savalaina iny ankehitriny. Nisy fiara tsy mataho-dalana iray (4×4) niampita teo lasan’ny rano ; loza anefa no nitranga fa lasany rano ilay fiara, ka ilay zazavavy kely 08 taona efa hita ny fatiny, fa ireo olona roa niaraka taminy mbola karohina hatramin’izao. Tamin’ireto mbola karohina ireto dia ankizy ny iray ary dadan’ilay mpamily avotra tamin’ireo olona izy ireo. Tena loza ity tranga ity, satria samy tsy nanampo na inona na inona izy rehetra tao anaty fiara, sangy tsy niala moa izy ireo nandritra ny fiampitana ilay rano ka izao tra-doza izao. Mbola mikaroka ilay olona roa tsy hita popoka ireto olona velona avotra soa amantsara ireto hatramin’ny nanoratana ny vaovao fa mbola tsy hita izy ireo, manampy azy ireo amin’izany ireo mponina ao Savalaina. Ireto olona roa avotra kosa araka ny fampitam-baovao dia mpianadahy izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici