Tsy mandendeha ho azy akory ireny fomba fandrindràna ny fiainam-pianakaviana, na fanabeazana aizana ireny fa misy ny lalàna mifehy azy soa aman-tsara, na ireo fomba ampiasaina na ireo fanafody afaka miditra, aparitaka ary ampiasaina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny didim-panjakana laharana faha-2018-1625, tamin’ny 04 desambra 2018 no mamaritra izany. Voalaza ao amin’ny andininy faha-5 ohatra ireo fomba rehetra ampiasaina ho amin’izany fanabeazana aizana izany. Ny fomba natoraly, ny fomba fiarovana (methode barriere), ny fomba mivantana, ny fanaovana « sterilisation » sy ny maro. Nambaran’ity andininy ity fa azo ampiasaina ihany koa ny fomba ara-dalàna ankatoavin’ny OMS. Mazava ihany koa ny voalazan’ny andininy faha-26 fa azo atao tsara ny manao ny dokambarotra ireo vokatra mifandraika amin’ny fanabeazana aizana, rehefa nahazo fahazoan-dalana hamidy avy amin’ny AMM (autorisation de mise sur le marché) izany ary nankatoavin’ny Ministeran’ny fahasalamana.
m.L




