Nanolotra fanampiana tafo fanitso 100 isa sy vary 15 gony ary bodofotsy 50 isa tao amin’ny BNGRC Toamasina noho fandalovan’ny rivodoza farany teo ny antoko HVM notarihan’ny filohany Atoa Rivo Rakotovao. Nandritra izany no nilazany fa voin-kava mahatratra izao natao izao, satria iaraha-mahita ny fahavoazana nitranga tamin’i Toamasina, izay tena voa mafy tokoa. Tena ho tonga any amin’ireo traboina tokoa ny fanomezana natao, hoy Atoa Rivo Rakotovao, satria hainay tsara ny fomba fiasa matihanina ananan’ny BRGRC. Nambaran’ny filohan’ny HVM Rivo Rakotovao ihany koa tamin’ny resaka politika, fa manohana ny filoham-panjakana izy ireo, ka manohana ny antso nataon’ny filoham-panjakana tamin’ny fangatahana fiaraha-miasa. Nomarihany hatrany fa vonona hiara-miasa amin’ny firenen-drehetra i Madagasikara, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ka tohanan’ny HVM izany, satria izay mihitsy izao no tokony hataon’i Madagasikara, satria firenena sahirana izy. Ankoatra ny antoko HVM dia nanolotra fanampiana ny BNGRC koa ireo vondron’ny mpitandro filaminana Emmo-Nat, nanolotra vary ihany koa. Nankasitrahan’ny Bngrc ny finiavana teo amin’izy ireo.
Malala Didier




