Tao Ankadievo, fokontany eo anivon’ny kaominina Alasora, no nitranga ny olana. Nivoaka ny fokonolona ny alin’ny alarobia teo, manodidina ny tamin’ny 9 ora sy sasany. Ireo kamiao roa nitondra tany sy ny « tractopelle » iray izay voalaza fa nanototra tany tao an-toerana no nosakanan’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny mponina dia efa hatramin’ny andro vitsivitsy lasa no nahatsikaritra io fivezivezen’ny fiara lehibe io izy ireo ary nanototra tany teo amin’ny manodidina. Nilaza ny fokonolona fa nanara-maso akaiky ny zava-nisy nandritra ny fotoana ela. Iny alina iny dia tsy nanaiky intsony ny nitazam-potsiny nanapaka ny làlana no koa nitangorona teo amin’ireo fitaovam-pitaterana. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny mpitandro filaminana, ny zandary sy ny polisy miadidy ny fari-pileovan’Alasora. Nisy ny fanapahan-kevitry ny nampiditra ambalam-pamonjàna avy hatrany ireo fiara nitatitra tany sy fitaovana hafa fampiasa amin’ny fanotorana. Miandry ny fanazavàna ofisialy avy amin’ny tompon’andraikitra miadidy ny fanajariana ny tany ny olona.
D.R




