- Publicité -
lundi, février 23, 2026
AccueilFaits-DiversRaissa Razaivola : Nosamborina teo Andraisoro

Raissa Razaivola : Nosamborina teo Andraisoro

Ny alin’ny asabotsy teo no nosamborina i Raissa Razaivola. Tetsy Andraisoro izy no niafina tao anatin’ny fotoana nikarohana azy ary nisy nahita izany toerana izany ka nampita tamin’ny mpitsongo vaovaon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy niandry ela dia natao ny fisamborana azy. I Raissa dia efa nigadra ary mbola teo am-pamitàna ny saziny no nigadona ny tolom-bahoaka tamin’ny 2025. Vokatr’izay dia nisy famoahana faobe ny gadra koa teny amin’ny fonja tetsy Antanimora sy Tsiafahy. Famoahana tsy ara-dalàna fa dia samy namoaka ny « olony » avokoa ireo nilaza fa manam-pahefana sy ambony galona tamin’izany fotoana. Isan’ny tafavoka tao i Raissa ary ny olana aza dia tsy mba nifitsaka fa nampiseho ampahibemaso ny fivoahany ny fonja. Nisy fotoana niditra tao amin’ny antenimiera ary toa ireny olona ambony ireny, misy mpiambina, misy fiara marobe manaraka azy. Tonga hatramin’ny fanokanany làlana niaraka tamin’ny olona ambony. Izany rehetra izany no nanintona ny maso hijery ny momba azy. Nisy ny baiko ny amin’ny hamerenana am-ponja azy, saingy tsy hita intsony ny anao vavy nanomboka teo. Dia io ny alin’ny sabotsy io vao sarona. Mbola hisy sahy indray ve ny hiditra an-tsehatra ny manam-pahefana ka hisakana ny famonjana azy ? Eo indray izao no andrasan’ny rehetra.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici