- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilEconomieIzy no izy : Koufali Daya - Mpandraharaha lasa mpisehatra amin'ny fampandrosoana

Izy no izy : Koufali Daya – Mpandraharaha lasa mpisehatra amin’ny fampandrosoana

Nanomboka tamin’ny fivarotana antsinjarany finday ka hatrany amin’ny fihoarana an-tampony momba ny paikady momba ny fitantanana, nanamarika ny lalana nizoran’i Koufali Daya ny faharetana sy ny hambompo ho amin’ny tsaratsara kokoa. Nataony ho marika hahafantarana azy ny maha-mpandraharaha azy niaina tamin’ny zava-tsotra mankany amin’ny mpandraharaha mahafolaka sy mahampiasa ny fitantanana.

Koufali Daya : Mpandraharaha lasa mpisehatra amin’ny fampandrosoana

NY FIOFANANA NARAHINY

Zanaky Toliara i Koufali Daya. Namolavola azy ny Memorial School tao Toliara na izany nandritra ny fotoanany niaranany tao amin’ny kolejy na izany nandritra ny fandaloany tao amin’ny lycée hany ka tsy nionona tamin’ny fahombiazana vetivety teny an-kinja izy fa nilofo niezaka hatrany nanaraka fiofanana samihafa. Manana ny diplaoman’ny MBA mikasika ny paikady amin’ny fampandrosoana. Tsy nionona tamin’izay izy fa mbola nanohy ny fianarana ary nahazo Master en Sciences Marketing and Consumer Insights. Vokatry ny fianarany, nanana fijery manokana sy vaovao ny tsena malagasy miaina amin’ny fahalalana ankapobeny ka hatrany amin’ny zava-misy andavanandro i Koufali Daya.

MPIVAROTRA LASA MPANDRAHARAHARA

Nanomboka tamin’ny varotra finday teto Antananarivo Renivohitra i Koufali Daya. Tamin’izany no nianarany ny fahaiza-mandresy lahatra sy namolavola azy ho tsy mora miova eo amin’ny zava-tsarotra. Nampiasainy hatrany ny tombom-barotra azony ka raha mpivarotra mpaninjara izy tany am-boalohany, lasa mpandraharaha ara-barotra tato aoriana ary mpanelanelana teo amin’ny tontolon’ny fivarotana fiara.

Io fahaizany mamadika tranga tsotra ho lasa fananganana orinasa no nahatonga azy ho lasa « courtier » ary avy eo hanana ny orinasany sy hirotsaka amin’ny fanitarana ny haitao momba ny teknolojia ary hisehatra amin’ny toetrano avo lenta.

SEDRA NOLALOVANA

Nanamarika azy ny sedra nolalovany tamin’ny taona 2022 raha mbola 29 taona monja izy. Raha namaly ny tolo-bidy nataon’ny fanjakana amin’ny fanomezana fiara ny solombavambahoaka tamin’ny alalan’ny fandoavana mizara sy tontosa efa mahazatra izany, niseho ny fanenjehana sy fiampangana ara-barotra. Vokatr’izany, nampidirina am-ponja teny Tsiafahy nandritra ny fito volana i Koufali Daya. Na dia nisy aza ny sedra nahazo, tsy nahakivy azy sy tsy nanakana azy tsy hitohy amin’ny tanjona tiany ho tratrarina izany na dia filazana nataon’iretsy olon-kafa azy, indindra ny zokiny lahy. Tsy nampiala azy tamin’ny tanjony ny fanalany tany Nosy Maurice. Vao mainka aza nanamafy ny finiavany ny fikatsahana ny marina hanadioana ny voninahiny manoloana ny fiampangana sy ny fanenjehana manokana izay moa izy.

FANOLORAN-TENA

Ankehitriny raha tafaverina an-tanindrazana i Koufali Daya, manohy indray ireo asa nataony amin’ny fahavitriahana tsy azo tohihonina. Misehatra amin’ireto izao ny vondrona tantaniny : varotra fiara, tontolon’ny teknolojia amin’ny fanaparitahana ny vahaolana entin’ny informatika avo lenta, fampandrosoana ny tontolo ambonivohitra amin’ny alalan’ny tetikasa samihafa.

Ankoatra ny maha-mpandraharaha azy, tia manao soa ny hafa am-pahatsorana. Noho ny fahalalany ny zava-misy eo amin’ny lafiny sosialy eto Madagasikara, nohamafisiny ny hetsika samihafa ho an’ireo sokajin’olona marefo. Resy lahatra i Koufali Daya fa tsy handroso ny firenena raha tsy misy ny firaisankina arahina asa.

FEHINY

« Self made man » amin’ny teny vahiny i Koufali Daya. Na eo aza ny tafio-drivotra politika sy ny fanakianana manokana, nisafidy ho marina amin’ny vinany izy : handray anjara mavitrika sy maharitra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara araka ilay toetra niezaka sy niavotra hatrany eo amin’izay hatao.

Partenariat rémunéré : M-CL025594

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici