- Publicité -
mercredi, février 25, 2026
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Telolahy nanamotika fitaovan’ny zandary, nosamborina

Ambohimanambola : Telolahy nanamotika fitaovan’ny zandary, nosamborina

Mamomamo dia lasa nananao ny tsy fanao! Tovolahy niisa telo no voatery nosamborin’ny zandary teny amin’iny faritra Ambohimanambola iny alin’ny alahady lasa teo. Voarohirohy amina resaka fanapotehana fitaovam-panjakana niniana natao. Tao Ampahimanga, Ambohimanambola no niseho ny tranga. Ny alahady tamin’ny 10 ora alina teo, tao amin’ny trano fisotroana iray teny an-toerana. Noho ny resaka tabataba amin’ny alina dia voatery nakaton’ny zandary ilay fivarotana ary nasaina nandeha ireo mpirevy tao. Nisy iray tamin-dry zalahy ireo anefa no tsy nanaiky fandamina mora ka namalivaly ireo mpitandro filaminana. Tsy vitan’izay anefa fa nentanin’ny “ranomafana” ingahy ka nihevitra ny tenany ho mafy be sy ambony lalàna. Nandeha tany amin’ny biraon’ny zandary mihitsy ingahy io alina io. Tsy hametraka fitarainana anefa fa ny hanampatra ny hatezerany. Nozerany sy nopotehany tamin’ny vatobe ny moton’ny zandary iray nipetraka teo an-tokontany. Marihana fa notahanany vato ny varavaran’ny birao mba tsy ahafahan’ny mpiambina nivoaka. Ny ambin’ireo mpitandro filaminana kosa dia fantany tsara fa mbola any am-panaovana fisafoana avokoa. Raha ny voalaza dia olona teo amin’ny manodidina ny nampilaza ny mpifehin’nt zana-tobi-paritra ny zava-nisy. Nosamborina avy hatrany ity farany. Tsy vitan’izay fa taorian’io, tonga tao an-toerana ihany koa ny rahalahin’io olona nosamborina io ary saika hanampatra ny hatezerany tamin’ny famotehana ny parebrisen’ny fiaran’ny zandary. Marihana fa mamo ihany koa ireto farany. Voatery nosamborina avy hatrany ry zalahy ireto ary nampiaharahana, notazomina andrimaso niaraka amin’ilay efa tao, ho amin’ny famotorana. Marihana fa samy monina ao Ampahimanga avokoa ireto olona notanana am-ponjakely ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici