Saika mametra-pialana noho ny olana ara-pamatsiana ataon’ny fanjakana amin’ny vahoaka tra-boana ireo filoham-pokontany. Saika olana sy fandrahonana isan’andro mantsy no hiainan’izy ireo amin’ny vahoaka tra-boina, indrindra hatramin’ilay raharaha FID milaza hizara vola amin’ireovahoaka sahirana voafantina.ankehitriny izao dia filoham-pokontany roa eto Toamasina izay azo lazaina fa niasa be ihany ho niala an-daharana. Isan’ireny ny filoham-pokontany Mangarano P/elle 11/46 sy ny filoham-pokontany Mangarivotra atsimo P/elle 21/53 ho fiarovana ny ainy sy ny fianakaviany no antony. Nanambara mazava izy ireo fa « nametra-pialana ny tenako ho fiarovako ny aiko sy ny vady aman-janako ao anatin’izao savorovoro aorian’ny rivodoza izao ». Nambaran’izy ireo hatrany fa «na tiako karakory ny asa fokontany amin’ny fanampiana ny mpiara-belona, dia tiako kokoa noho izany ny zanako sy ny fianakaviako, aleoko miala tsy ho filoham-pokontany intsony ». Vokatra ny fandrahonana voarain’izy ireo saika isan’andro dia mbola hametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro filaminana ko izy ireo, mba ahafahana mahita ny marina mikasika ny raharaha fandrahonana mahazo azo ireo ity, satria efa mihatra amn’aina izany amin’izao. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha, satria efa voarain’ny prefektiora ny fametram-pialan’izy ireo.
Malala Didier



