Vy zara raha milanja kilao vitsivitsy dia misy maka. Vokatr’izany dia lasa goaka ilay làlana ary tena mampidi-doza tanteraka. Etsy Anosibe no isan’ny nampitondra faisana mpandeha kodiaran-droa sy fiara rehefa latsaka tao. Tsy hita maso firy ilay lavaka hany ka betsaka ny nidiran-doza. Loza mitatao ho an’ny mpampiasa làlana arak’izany. Tsy io ihany fa mbola misy iray hafa koa etsy Amparibe izay midina mizotra ho any Mahamasina. Io indray dia ilay sarona fantson-drano famonoana afo no nisy naka. Lavaka be vokatr’izany ary tena omby olona. Mbola loza mitatao koa io. Miroborobo arak’izany ny halatra vy eto an-drenivohitra ary misy voka-dratsiny amin’ny fananana iombonana izany. Mila manokatra fanadihadiana ny tompon’andraikitra ary manara-maso ireo mpandrendrika vy. Raha izao no mitohy dia ho tapitra ringana ny vy amin’ny fotodrafitrasa eto an-drenivohitra. Ny tetezana, ny fantson-drano, ny andrin-jiro sns dia efa saika nahita faisana avokoa eto Antananarivo. Mila fanadihadiana misokatra tanteraka…
D.R




