Accueil Faits-Divers Antsirabe : Tovolahy 17 taona, namono sy nikasa hanolana vehivavy 34 taona

Antsirabe : Tovolahy 17 taona, namono sy nikasa hanolana vehivavy 34 taona

0
Antsirabe : Tovolahy 17 taona, namono sy nikasa hanolana vehivavy 34 taona

Ankoatra ny fikasana hampihatra herisetra ara-nofo, efa namono sy nandratra ilay vehivavy mihitsy ity tovolahy tsy ampy taona ity. Tranga niseho tao Tsivakinitrano Antsirabe ny andron’ny talata lasa teo. Ny tena nahavariana dia vehivavy 34 taona, zokiny lavitra ity nampiharan-dranamana ny filan-dratsiny ity. Izy izay mbola tovolahy 17 taona. Ankevitry ny efa nitsiriritra fatratra ity renim-pianakaviana ity angamba ny tovolahy, hoy ny zandary, ka tsy tanany intsony ny filĂ ny rehefa tojo azy tao amin’ny mangingina ranamana. “Tratrany teny amin’ny toera-mangina, feno alan-katsaka ka avy dia nobedainy”. Efa fantany fa tsy hanaiky mora foana anefa ilay lasobatra ka avy hatrany dia nodarohany. Nosemporiny tamin’ny alalan’ny fanampenam-bava ilay ramatoa ary novelesiny tamin’ny zaran’angady avy eo ary naratra noho izany. Rehefa iny nalemy iny no saika hanantanteraka ny filan-dratsiny Ingahy. Ny tsy nampoiziny anefa nisy nahita izy nanao ny hadalĂ ny ary io olona nahita io no avy hatrany dia nampandre ny zandary. Rafitra nitsoaka toy tsy teo ingahirainy taorian’izay. Saingy nisy nahafantatra ka noraisim-potsiny tany an-tranony ary nosamborina avy hatrany. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary ho notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Ilay renim-pianakaviana kosa nentina nihazo avy hatrany ny toeram-pitsaboana ho amin’ny fandraisana an-tanana azy. Tiana tokoa ny mampatsiahy fa ny lalĂ na velona eto amintsika, ao anatin’izany lalĂ na entina hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na maha vavy, dia mandidy ny tsirairay hampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra na io mpitandro filaminana na io tompon’andraiki-panjakana, raha misy trangan-kerisetra manodidina azy. Ny fitenenana sy ny fampandrenesana mialoha ireo tompon’andraikitra tokoa dia mety hahafahana misoroka ny trangan-kerisetra sy mandray an-tanana ireo niharam-boina, toy ity tranga niseho tany Antsirabe. Ny tsy fanaovana izany kosa anefa dia azo sokajiana ho firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy ihany.

m.L

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici