Miverina miaina ao anaty tebiteby indray ireo mponina eny amin’iny faritra Ambatomaro iny tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay. Miha-mirongatra indray ny vaky trano sy hala-botry eny an-toerana. Saika isak’alina dia misy andian’olona mihaodihaody eny an-toerana, hoy ny mponina, ary tsy menatra mihitsy mamaky trano sy miditra an-keriny. Tsy tahotra tsy henatra ny hanapahan’izy ireo, ireo “grille de protection” –n’ny trano. “Saika hanapaka ny “grille” teto aminay izy ireo saingy nisy naheno dia lasa nitsoaka…” Marihina fa nisy fotoana teny an-toerana efa nanaovan’ireo mpitandro filaminana hetsika sy fisafoana isak’alina, isak’ireo faritra sy vakim-paritra ary ireo elakelan-trano rehetra teny an-toerana, dia somary nangingina ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Amin’izao, mbola misy ihany ireo fisafoana ireo saingy efa mahalana. Ary izay toe-javatra izay no heverina fa hararaotin’ireo olon-dratsy. Manaitra ny tompon’andraikitra araka izany ny mponina amin’izay toe-javatra izy. Na izany na tsy izany anefa, tokony ho samy mpiara-monina ihany koa no hifanampy sy hiray ary hifamonjy alohan’ny hahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Ilaina ny “siflet” ary tsara raha misy laharan’ny polisy hatrany any anaty finday, toraka izay ihany koa ny laharan’ny mpiray vodi-rindrina.
m.L



