- Publicité -
samedi, février 28, 2026
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Mpivady novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Ambilobe : Mpivady novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nitrangana vono olona mahatsiravina ny alin’ny alakamisy lasa teo tao amin’ny fokontany Ambatoharagnana, kaominina Antsaravibe, distrikan’Ambilobe. Araka ny fampitam-baovao azo dia olona roa, mpivady no nisy nanafika sy namono tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no nisy nampandre ny tompon’andraikitra ary nidina avy hatrany teny an-toerana. Efa vatana mangatsiaka nihoson-drà, nivalampatra teo am-povoan-trano moa no novantanin’izy ireo. Voalaza fa tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no nanaparena ny ain’ireto mpivady ireto, raha ny vaovao azo hatrany. Hatreto dia tsy mbola fantatra ny antony nahatonga izay famonoana izay. Tsy fantatra rahateo ihany koa ireo nahavanon-doza. Raha ny siosion-dresaka sy ny angom-baovao azo, hoy hatrany ny tompon’andraikitra avy any an-toerana dia ankevitry ny andian’olona maromaro no niditra nanao an-keriny tao amin’ny tokatrano nisy azy ireo ary nanantanteraka izao asa ratsy izao. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao ary mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo izay mety ho olon-dratsy. Na izany aza anefa, miantso fiaraha-miasa amin’ireo mponina na izay mety ho manam-baovao mahakasika ity vono olona ity, ahafantarana ireo olon-dratsy ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Tanana ho tsiambaratelo hoy izy ireo, ny mombamomban’ireo mpanome vaovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici