- Publicité -
lundi, mars 2, 2026
AccueilFaits-DiversSavorovoro tao Andekaleka : Olona iray namoy ny ainy, trano maromaro voaroba

Savorovoro tao Andekaleka : Olona iray namoy ny ainy, trano maromaro voaroba

Nitrangan’ny korontana tao Andekaleka ny sabotsy teo. Andian’olona am-polony maro no tonga « nanafika » tao an-toerana. Trano telo no voaroba, araka ny fanazavana nomen’ny zandary. Efa tonga tany an-toerana ireto tompon’andraikitra ary nisy ny fandraisana fepetra avy hatrany. Niparitaka vetivety tao anaty tambajotra sosialy ny horontsary maneho vatan-dehilahy maromaro, nirongo langilangy sy zava-maranitra, niditra ny tanàna. Namantana avy hatrany tamin’ny tsena iray tao an-toerana ary nandroba izay azo norobaina. Nifindra tamin’y fivarotam-panafody iray indray ary namarana izany teny amin’ny « quincaillerie » iray tao an-toerana. Vitsy an’isa ny mpitandro filaminana tao an-toerana, tsy nisy afa-tsy roa lahy, ka tsy afa-nanakana velively ny zava-nitranga. Noho ny tsy fisian’ny lalana mankany an-toerana, afa-tsy amin’ny lalamby, dia omaly vao maraim-be vao nigadona tany an-toerana ny tompon’andraiki-panjakana : ny olomboafidy sy ny mpitandro filaminana.

Araka ny fanazavana azo dia savorovoro teo amin’ireo mponina roa tonta ny zava-nisy tany an-toerana. Ireo avy any Beforona, nisy ireo mpitandraka vato sarobidy ary ny tao Andekaleka, nisy ny olona voalaza fa tompon’ny tany. Araka ny fanazavana nomen’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary avy ao Toamasina, izay niaraka nidina tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana dia hoe : talohan’io fanafihana tao Andekaleka io dia efa nisy korontana tany amin’ilay toerana nisy kariera. Nisy ny fifandonana tamin’ireo voalaza fa tompon’ny tany, izay tonga tany an-toerana hamboly hazo, sy ireo olona mpitrandraka tao an-toerana. Niafara tamin’ny tifi-danitra nataon’ny zandary izany. Tamin’izay dia voalaza fa nisy olona iray maty, avy amin’ireo mpitandraka ary nisy naratra. Izay toe-javatra izay no tsy zakan’ireo mpitrandraka tao Ankeniheny Beforona, io nandehanan’izy ireo namaly faty tao Andekaleka io. Ary iny niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy iny. Marihina fa io olona voalaza fa tompon’ny tany io dia efa tafatsoaka tany an-toerana, fa norobain’ireo andian’olona kosa ny fivarotany.

« Efa azo lazaina fa milamina ny toe-draharaha aty an-toerana. Efa nisy ny fifampiresahana sy ny fifamelàna teo amin’ny mponina roa tonta », hoy hatrany ity manamboninahitra eo anivon’ny zandary ity raha azo an-tariby omaly. « Na izany na tsy izany anefa, hoy hatrany izy, nisy ny aina nafoy sy fandratrana tao, ka dia na teo aza ny fifamelàna dia tsy maintsy manokatra ny fanadihadiana izahay ary handray fepetra mifaraka amin’izay. Saingy hatreto aloha, tsy mbola nisy ny fanamborana …. » Nandeha nidina ifotony hijery ny zava-nisy marina tany amin’ilay toerana misy kariera moa ireto tompon’andraiki-panjakana omaly hariva, raha ny fantatra. Andrasana araka izany mety ho tohiny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici