
Efa fantany fa tsy misy olona ao an-tanana. Variana any amin’ny fifaninana baolina kitra avokoa ny rehetra. Izay fotoana izay no nohararaotiny nanarahana ity renim-pianakaviana ity handeha hody. Vantany vao tafiditra ny trano dia niantsapazany, nanaovany herisetra. Tranga niseho tao amina kaominina iray any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, ny tolakandron’ny sabotsy teo. Araka ny angom-baovao azo dia ao anatin’ny fanomanana ny andron’ny 8 martsa ny any an-toerana ka nisy ny fifaninana baolina kitra. Tsy dia misy fialamboly ny olona any ambanivohitra ka zara aza nisy an’io ary saika tany avokoa ny rehetra. Noho ny asa aman-draharaha anefa dia voatery nody ilay renim-pianakavina, vadina tompon’andraikitra any an-toerana iray. Ny tsy nampoizina velively dia efa nisy nitily izy. Ary niandry fotsiny ny fotoana nidirany ny trano. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia niatsampazany sy nobedainy ilay renim-pianakaviany, tsy navelany hikofoka. Ary nanomboka nandrovitra ny akanjony ambony. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Ary soa ihany fa nisy naheno satria dia nirohotra nanampy azy ireo izay tavela tao an-tanana no sady nampandre ireo teny an-kianja sy ny mpitandro filaminana. Rafitra nitsoaka noho izany ilay nahavanon-doza. Fantatry ny rehetra teo an-tanana ity lehilahy, satria dia efa olom-boafidy teo aloha tao an-toerana ihany, raha ny vaovao avy amin’ny zandary. Mora ho an’ireto farany araka izany ny nikaroka sy nisambotra azy. Araka ny angom-baovao azo hatrany dia tsy vao izao ity olom-boafidy ity no manao io toetra ratsy io fa fony izy mbola teo amin’ny fahefana. Voalaza fa efa nisy ankizivavy teo an-tanana lasibatr’izay herisetra ara-nofo izay, tany amin’ny taona 2020 tany, saingy noho tahotra sy ny fandrahonana ary ny fahefana nanan’ilay nahavanon-doza dia tsy sahy nanao n’inona n’inona ireo fianakaviana. Efa notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa ny lehilahy amin’izao ary efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity tranga niseho tamin’ny sabotsy ity. Heverina ihany koa fa hisy ny famotorana mahakasika ilay trangana fanolanana voalaza fa nataony ny taona 2020. Raha ny lalàna tokoa mantsy dia mbola azo henjehina ao anatin’ny 10 taona taorian’ny heloka vitany ny olona iray. Ary ny fanolanana, araka ny fehezan-dalàna famaizana nasiam-panovàna ny 06 febroary 2024, dia sokajiana ho heloka bevava, indrindra ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Mety miandry ity olom-boafidy teo aloha ity araka izany ny tranomaizina miampy famosirana …
m.L



