« Chartre des champions en droit sexuel et reproductive » io anarana nomena ity tondrozotra ho fanamafisana sy fampiharana ary fanatsaràna zo amin’ny fahasalamana ara-pananahana eto amintsika. Tondrozotra nasionaly iraisan’ireo mpiray ombona antoka rehetra izy ity notarihan’ny ministeran’ny Fahasalamana ary natao sonia ny andron’ny alatsinainy teo ity tetsy amin’ny Novotel Ivandry. Ary nivoitra taorian’ny fikaonan-doha sy fihaonana an-databatra boribory, nanaovana haitaky ho amin’ny famatsiam-bola amin’ny fampiharana sy ny fanatsaràna ny zo amin’ny fahasalamana ara-pananahana. Nanamarika moa ny teo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamana fa tsy vitan’izy ireo irery ity resaka ity satria tena mbola maro ireo sakana tsy ahafahana mampisitraka izany zo izany eto amintsika. Andraikitry ny rehetra izy io, hoy izy ireo ary manana adidy ihany koa ireo ministera hafa, toy ny an’ny Mponina sy ny firaisan-kina, ny Filaminam-bahoaka, ny Fiarovam-pirenena, ny Toe-karena ary indrindra ny Tanora, ankoatry ny parlementera, ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena. Nanana solon-tena tao anatin’ity fihaonana an-databatra boribory ity avokoa izy ireo ary niara-nanaiky sy samy vonona hanatsara ity sehatra ity mba ho fisitrahan’ny rehetra izany zo ho amin’ny fahasalamana ara-pananahana izany.
m.L




