Efa nampahafantatra ny oniversite’i Toamasina fa miverina ny fampianarana manomboka ny 13 martsa ho avy izao. Ny filankevitra siantifikan’ny oniversiten’i Toamasina no nanampaka izany, satria manomboka ny fanarenana ny fahapotehan’ny oniversite taorian’ny rivodoza. Nanambara anefa ny oniversite fa azo atao alohan’io daty fidirana io ny fanadinana tsy mbola vita sy ny voka-pikarohana tsy mbola tao anatin’ny taom-pianarana lasa iny. Hiditra amin’ny fampianarana ampitain-davitra ihany koa ny oniversite vokatra ny fahasimbana nateraky rivodoza na eo aza ny fanamboarana tsikelikely ataon’ny oniversite sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Efa vonona amin’ny Wifi ny oniversite isaky ny sampam-pianarana ao aminy, mba ahafahana manao ilay fampianarana ampitain-davitra hidirany amin’izao vokatry ilay fahasimbana. Mila manaraka ny vaovao rehetra mikasika azy ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’i Toamasina, hanarahany ny vaovao rehetra mikasika ny fampianarana.
Malala Didier




