Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Berevo, eo anivon’ny distrika Belo/Tsiribihina no nitranga ny loza. Andian-jazalahy nirahina naka rano teo amin’ny reniranon’i Belo no nisy iray nataon’ny voay lehibe lasibatra. Ny namany efa tafavoaka ny rano saingy izy kosa mbola niverina kely nisasa tongotra ary tamin’iny indrindra no notafihin’ilay biby. Niezaka nanavotra aina ihany izy saingy mafy loatra ny herin’ilay voay nandrapaka azy. Nihazakazaka niantso vonjy tao an-tanàna ireo zaza namany ary tonga ny olona sy ny mpitandro ny filaminana. Dia niara-nahita mivantana teo ny rehetra. Nikiakiaka, nilatsa-dranomaso ny olona saingy tsy nisy azo natao ankoatra ny tora-bato. Ny zandary kosa indray avy hatrany dia nitifitra ilay voay. Voa ihany io farany fa saingy mbola afa-nitsoaka. Ny rano rahateo naka lokon-tany noho ny fahavaratra ary raha vao nilentika ilay voay niaraka tamin’ny vatan’ilay zaza dia tsy hita intsony. Niezaka ny vatan-dehilahy nitady fa tsy hita soritra intsony. Iray andro taty aoriana (omaly atoandro) vao hita ny razana izay efa potika tanteraka satria ny ampahany sisa no tavela. Nofonosin’ny vatan-dehilahy tao anaty lamba ary navoaka ivelan’ny renirano. Mbola mitohy ny fikarohana ny voay hatramin’ny omaly ary etsy ankilan’izany, nanao fanentanana ny olona ny manam-pahefana mba tsy hanakaiky ny moron-drano intsony. Ny olana anefa, noho ny olana amin’ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio dia voatery maka rano eny amin’ny renirano misy voay ny olona. Ankoatra izay, mety hisy akony amin’ny fizahan-tany indray ity tranga fahafatesana ity. Niparitaka eraky ny tambajotra mantsy ny sary tena sarotra jerena dia ny sarin’ilay voay mandrapaka ilay zaza tao anaty rano. Iny renirano iny anefa no tena isan’ny be mpizaha tany izay mandeha lakana na vedety na sambo kely mandeha eo aminy, manao « descente Tsiribihina ». Midika izany fa sady ahiana ny ain’ny mponina ary koa ny fidiram-bola amin’ny fizahan-tany izay sitrahin’ny mponina, raha tsy ahitàna vahaolana maika ity resaka voay ity.
D.R




