Mirongatra ny resaka halatra, fanendahana eny amin’iny kaominina Antehiroka iny. Lasibatra ireo mpiasa mody hariva, ny fiara mijanona misy mamaky, ny hala-botry sy ny maro hafa tsy lazaina intsony. Andian-tovolahy ireo olon-dratsy ary manana tambajotra. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary, nanao hetsika manokana nentina nipaingotra ireo mpanao ratsy. Ary tsy niandry ela dia tafiditra tao anatin’ny haraton’ireo mpitandro filaminana avokoa ireo olon-dratsy.
Araka ny fampitam-baovao dia niainga tamin’ny tranga fahavakisana fiara iray teny an-toerana ny raharaha, ny faramparan’ny volana teo, izay nahaverezana speaker sy finday. Taorian’ny fanadihadiana sy fikarohana lalina dia hita io finday io. Nosamborina ny olona nahitana azy. Toy ny kofehy manara-panjaitra hatreo ny fisamborana. Nanomboka tany amin’ny mpandray halatra, ny mpivarotra ka hatrany amin’ny mpividy, nandalo tamin’ireo tena mpangalatra nanao ny “operation”. Tsy nionona tamin’io raharaha iray io moa ny zandary fa niroso lalindalina hatrany ka fantatra fa ry zalahy ireto no anisan’ireo tompon’antoka tamin’ireo asa ratsy, nirongotra teny an-toerana. Nanaporofo izany ny fahatratrarana entana halatra marobe tany an-tranon’izy ireo tsirairay avy. Notanana natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny famotorana moa ry zalahy ireto ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’ny fakana am-bavany azy ireo. Efa tamabajotra iray ry zalahy ireo satria misy ireo mpanao ny halatra mivantana, misy ny mpnadray ireo entana azo ary misy ireo mpividy izany. Heverina fa hilamindamina indray araka izany eny an-toerana taorian’izao fisamborana izao.
m.L




