- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava : Lahiantitra tra-tehaka teo am-panolanana ankizivavy

Morondava : Lahiantitra tra-tehaka teo am-panolanana ankizivavy

Efa dadabe mbola tsy mahay mipetraka ihany ! Tranga iray tao amin’ny fokontany Tanambao, distrikan’i Morondava, ny faramparan’ny volana febroary lasa teo. Lahiantitra iray, efa mananiky ny 75 taona no tra-tehaky ny pôlisy teo ampanaovana firaisana tamina ankizivavy kely vao 15 taona monja. Nosamborina avy hatrany ingahirainy ary nadoboka am-ponja.

Olona efa voasokajin’ny fiarahamonina ho hendry sy manam-panahy no mbola mahavita hadalàna sy heloka bevava amin-jaza ! Tsara marihana fa araka ny fehezan-dalàna famaizana nasiam-panovàna (lalàna 2024-001 tamin’ny 06 febroary 2024) dia sokajiana ho heloka bevava ny herisetra ara-nofo, fanolanana zaza mbola tsy ampy taona. Asa an-terivozona 10 ka hatramin’ny 15 taona, miampy famosirana no sazy miandrin’ireo olona izay voaheloka tamin’ny fanolanana zaza 13 taona ka hatramin’ny 18 taona. Ny lalana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy ihany koa dia mbola mampatsiahy ny rehetra ny amin’ny tokony hampandrenesana avy hatrany ny tompon’andraikitra raha misy trangana herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy eo amin’ny manodidina, ary mahavoasazy ihany koa ny tsy fanaovana izany.

Tamin’ity tranga tao Morondava ity, dia raha vao nahita ny fihetsika hafahafa nataon-dradadabe tamin’ity ankizivavy ity ireo nahatsikaritra dia nampandre avy hatrany ny zandary. Nidina ifotony avy hatrany ireto farany ary tra-tehaka teo ingahirainy teo am-piarahana tamin’ilay zaza. Mazava ho azy fa trangana fanolanana sy herisetra ara-nofo no nisy. Nosamborina sy natao andrimaso avy hatrany moa izy ary natolotra ny Fampanoavana. Masiaka tokoa ny lalàna ho an’ireo mpanolan-jaza ka tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nadoboka am-ponja ingahy ny talata lasa teo. Raha ny sazy miandry azy araka ny vesatra nanenjehana ity lahiantitra tsy mahay miaina ity, araka ny voalaza etsy ambony dia heverina fa mety hamita ny androny any am-pigadràna ingahirainy…

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici