
Mitety tsena any amin’ny sisin-tany mihitsy ry zalahy. Dôkera etsy Anosibe fa tonga manao ny asa ratsiny, mangalatra, managaraom-paosy ary manendaka any amin’ireo faritra misy tsena. Soa ihany, nifarana tetsy Talata Volonondry ny asa ratsin’izy ireo, ny talata lasa teo.
Anisan’ny hamantaran’ny maro ny tsenan’i Talata, ny tsenan’omby sy ny tongolo ary tena tsara vidy be ity farany amin’izao fotoana izao. Mazava ho azy, rehefa misy ny tsena dia tsy maintsy misy ihany koa ireo mpibata entana na docker hoy ny filaza azy. Niafina tao ambadik’izay izy roalahy ireto ka mba manampy ireo mpiantsena sy mpivarotra mibata ireo gonina tongolo hafatratra anaty kamiao. Marihana anefa, hoy ny vaovao fa misy ireo tena dokera manao ny asany ara-dalàna fa misy ireo mpandoto rano fotsiny, toa izy roalahy avy eny Anosibe ireto. Vao nihodina kely monja mantsy ireo tena izy dia efa voabatan’ilay olon-dratsy misandoka anarana ny tongolo iray “filet”. Ary toy ny fanaovan-dry zalahy azy aty amin’ny tanana ihany, mifindra tanana malaky any amin’ny akama ihany ny entana, ka na voasava aza ilay mpibata dia tsy hahitana n’inona n’inona.
Nampandresina tamin’io ihany ny tompon’entana, izay tsy nanaiky fa nanao fitarainana avy hatrany teny anivon’ny zandary. Novoriana avokoa ireo dokera rehetra ary voatondro teo ingahy. Nisy nahita kay ny zavatra natao ary dia noraisim-potsiny.
Taorian’ny famotorana ihany koa dia nanoro ny namany izy ary nosamborina niaraka taminy. Fantatra tamin’izay fa efa mpangalatra sy mpanendaka hikoizana ry zalahy ireto. Efa samy natolotra ny Fampanoavana tetsy Avaradrano moa izy ireo ary samy nadobona eny amin’ny Fonjan’Avaradrano avokoa.
m.L




