Antoandro be nanahary, teo imason’ny olona mifamezivezy eo no nongotan’ity ranamana, hoy ny polisy ny sarona lakandrano iray teny amin’iny faritra Ambohidahy iny, mba hangalàna ireo vy ao anatiny, ny alakamisy teo. Nandray andraikitra avy hatrany ireo polisy ary nisambotra ity lehilahy nanimba fananana iombonana ity ary nitondra azy avy hatrany eny anivon’ny biraon’ny polisy ho amin’ny famotorana. Hatolotra ny Fampanoavana izy aorian’ny fakàna am-bavany azy. “Nandray andraikitra avy hatrany amin’ny tranga fanimbàna sy fangalarana fananana iombonana tahaka izao ka miantso ny olom-pirenena rehetra ihany koa mba ho sarotiny sy tsy hisalasala hiantso ny polisy” hoy ireo mpitandro filaminana.
Hita sy tsapa tokoa fa tao anatin’ny taona maromaro nisian’ireo mpandanja sy mpividy vy isaky ny elakelan-trano ity no tena nampirongatra ireo mpangalatra sy mpanimba fananana iombonana. Ireny olona ireny sy izay olona ao ambadikin’izy ireo araka izany no tokony ho jeren’ireo tompon’andraikitra voalohany indrindra, raha tiana ho tapitra ity resaka halatra vy ity.
m.L




