Tsy tonga eny amin’ny toeram-piantsonana famaranana dia miverin-dàlana, mitondra olona mihoatra ny isa voatondro, manivana. Nandray ny andraikiny ny zandary manoloana ireo fiara fitateram-bahoaka izay nandika lalàna sy nampimenomenona ny mpanjifa. Ireo dia ny zotra mampitohy an’andrenivohitra amin’Ivato sy Mahitsy aloha. Niisa valo izy ireo no nalaina ny taratasin’ny fiara ary nomena sazy dia ny fampidirana anaty valam-pamonjàna izany na « fourrière ». Isan’ny efa sazy farantampony ny toa izany raha ho an’ny fiara fitaterana. Tsy hijanona eo ny hetsika izay hataon’ny zandary fa mbola hiitatra amin’ny zotra hafa koa. Mijaly loatra ny mpampiasa taxi-be eto an-drenivohitra no sady tsy mba voahaja ny hasin’ny maha-olombelona. Saingy tsy afa-manoatra satria ireo aloha no misy. Sady ratsy no maloto no tsy manaraka fitsipika. Ary raha mba havoaka amin’izay ary hampiasaina ireo bus eletrika marobe izay azo tamin’ny fitondràna teo aloha ary atsahatra any ireo taxi-be efa tena antitra amin’izao fotoana?
D.R




