Indrisy fa tsy tana intsony ny ain’ilay zazavavy iray voatifitr’ireo olon-dratsy. Ny roa kosa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly. Ny alin’alakamisy hifoha zoma teo, tsy nifanendrenesana ny feom-basy, teny amin’iny faritra Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo iny. Tamin’io alina io mantsy, jiolahy nanao andiany no nanafika tokatrano teny an-toerana. Tao amin’ny tananan’Ankidodona, fokontany Soamanjaka Nord aloha izy ireo, avy eo nifindra tao Tsaramasoandro. Tao no nahavoa ireo olona telo.
Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any no tonga nanafika tokatrano iray tao Ankidodona ireo olon-dratsy. Nampandre haingana ireo tompon’andraikitra sy ny zandary anefa ity lasibatra ka tsy tonga tamin’ny tanjona niriany ireo mpanafika. Nifindra lasy toy ny tsy teo araka ireo olon-dratsy no sady nanapoaka basy. Raikitra teo ny fifanenjehana.
Raha ny vaovao azo hatrany dia namonjy an’i Tsaramasoandro indray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Ireo tao Tsaramasoandro kosa, taorian’ny kotaba sy ny poa-basy dia nihevitra fa fokonolona ireto olon-dratsy tamy nanatona azy ireo ka nitsilo tamin’ny « lampe de poche ». Tifitra variraka avy hatrany anefa no setrin’izany, raha ny vaovao hatrany, ka nahavoa olona telo tamina tokatrano tao Tsaramasoandro. Vantany vao avy nahavita nitifitra ireo jiolahy dia nanao tari-dositra nitsoaka, satria efa fantatr’izy ireo fa efa tao akaiky tao ireo zandary. Tamin’ny fahatongavan’ireto farany dia efa olona nitsirara tao anaty rà mandriaka no novantanina. Nahitàna taim-bala ihany koa teny amin’ny tany. Natao avy hatrany moa ny famonjena ireto olona voan’ny bala, saingy ny iray tamin’izy ireo, ankizivavy, no tsy tana intsony intsony ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Ireo olona roa hafa kosa, nentina niakatra avy hatrany, nihazo ny hôpitalin’Ampefiloha.
Ankoatry ny famonjena anefa dia efa napetraka avokoa ny sakana rehetra teny an-toerana, hanaovana savahao ireo olon-dratsy. Mbola ao anatin’ny fikarohana azy ireo tanteraka ireo zandary hatramin’ny faran’ny herinandro teo, araka ny vaovao azo hatrany.
m.L




