- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsAMBANO-ANTSIRABE FAHAROA : Nahazo famatsiam-bola ho fanamboaran-dalana

AMBANO-ANTSIRABE FAHAROA : Nahazo famatsiam-bola ho fanamboaran-dalana

Isan’ireo lalana tena mampitaraina ny tantsaha sy mponina ny lalana mihazo ny kaominina Ambano sy ny lalana mampifandray azy amin’ny kaominina sasany, izay azo lazaina fa avokavoky ny lalana mihitsy noho ity kaominina ity latsaka afovoany.

Efa nisisnisy ihany izay tetikasa fanamboaran-dalana tao Ambano izay saingy tsy tena nisy fiantraikany teny amin’ny tantsaha izy ireny noho ny asa zara fa vita, vao mirotsoka ny orana dia efa tsy azo ampiasana intsony.

Fantatra ankehitriny fa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fitondrana fanavaozana ny repoblika ny fanamboarana ny lalana mankany Ambano. Taratasim-bola mitetina 1.009.407.700 Ariary no natolotry ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika an’Rtoa Ravaonirina Natahalie. Manomboka eo amin’ny rond-point Vatofotsy ny fanamborana izay hatao rary vato, raha toa ka totovato kosa no hatao amin’ny  lalana mankany Alarobia Andrakodavaka.

Ankaotra ny fanamboaran-dalana dia ampiasana amin’ny fikojakojana ny milina lehibe ampiasana amin’ny fanam-boaran-dalana ihany koa ito taratasim-bola natolotra io.

Araky ny fanazavana voaray, ny teknisianina eo anivon’ny fiadidiana ny faritra no hiandraikitra ny fizotry ny asa rehetra. Antenaina ny hizoran’ny asa amin’ny antsakany sy an-davany fa tsy ho asa famonjena poritra no hipetraka fa ho lova hapetraka ho an’ny tanin-janaka.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici